1ARY tonga tamiko ny tenin’i Jehovah nanao hoe:
2Ary hianao, ry zanak’olona, dia izao no lazain’i Jehovah Tompo amin’ny tanin’ny Isiraely:
Injao ny farany!
Eny, mby akaiky ny farany ho amin’ny vazan-tany efatra.
3Ankehitriny dia mby akaikinao ny farany,
Ary halefako aminao ny fahatezerako,
Dia hotsaraiko araka ny alehanao hianao,
Ka hatambesatro aminao ny fahavetavetanao rehetra.
4Ary tsy hiantra anao ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho;
Fa hatambesatro aminao ny làlanao,
Ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao,
Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
5Izao no lazain’i Jehovah Tompo:
Injao! avy ny loza, dia loza izay tsy misy toa azy!
6Injao ny farany! Eny, mby akaiky ny farany;
Mifoha hamely anao iny, indro, efa mby akaiky iny.
7Mby akaiky ny anjaranao, ry mponina amin’ny tany;
Mby akaiky ny fotoana, efa antomotra ny andro,
Dia akoran’ady, fa tsy fihobiana, eny an-tendrombohitra.
8Ary vetivety foana dia hampidiniko aminao ny fahatezerako,
Ary hotanterahiko aminao ny fahavinirako;
Ka hotsaraiko araka ny alehanao hianao,
Ary hatambesatro aminao ny fahavetavetanao.
9Ary tsy hiantra anao ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho;
Hatambesatro aminao ny làlanao,
Ary ny fahavetavetanao dia ho eo aminao,
Ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no mamely.
10Indro ny andro, indro mby akaiky iny!
Miseho ny anjaranao.
Mamony ny tsorakazo,
Manorobona ny avonavona!
11Ny fanaovana an-keriny dia mitsangana ho tsora-kazo hamelezana ny faharatsiana;
Tsy hisy sisa intsony aminy, na ny hamaroany, na ny hareny,
Na ny zava-mendrika eo aminy.
12Mby akaiky ny fotoana, antomotra ny andro;
Aoka tsy hifaly ny mpividy,
Ary aoka halahelo ny mpivarotra;
Fa iharan’ny fahatezerana mirehitra ny hamaroany rehetra.
13Fa ny mpivarotra tsy hifodian’izay efa lafony.
Na dia mbola isan’ny velona aza izy;
Fa ny fahitana ny amin’ny hanjo ny hamaroany dia tsy hitsoaka,
Ary tsy hisy hampahery ny ainy amin’ny helony.
14Efa nitsoka ny trompetra izy ka nahavonona ny zavatra rehetra,
Nefa tsy misy mankany amin’ny ady,
Satria iharan’ny fahatezerako mirehitra ny hamaroany rehetra.
15Ny sabatra no eny ivelany,
Ary ny areti-mandringana sy ny mosary kosa no ao anatiny;
Izay any an-tsaha dia ho fatin-tsabatra,
Ary izay any an-tanàna kosa dia ho levon’ny mosary sy ny areti-mandringana.
16Ary na dia misy afa-mandositra aza,
Dia ho eny an-tendrombohitra izy ka ho toy ny voromailala an-dohasaha:
Izy rehetra dia samy hitoloko avokoa noho ny helony.
17Hiraviravy ny tànana rehetra,
Ary ho rano ny lohalika rehetra;
18Hisikina lamba fisaonana koa izy,
Ka hanafotra azy ny horohoro,
Dia ho menatra ny tava rehetra,
Ary hibory ny lohan’izay rehetra.
19Ny volafotsiny dia hariany eny an-dàlambe,
Ary ny volamenany hataony ho maharikoriko–
Ny volafotsiny sy ny volamenany tsy hahavonjy azy amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah,
Tsy hahavoky ny fanahiny na hahafeno ny kibony izany–
Fa tonga fahatafintohinana mahameloka azy.
20Fa ny firàvany tsara tarehy
Dia nataony ho rehareha
Sady nentiny nanao ireo sary fahavetavetany, dia ireo zava-dratsiny,
Koa izany no efa nanaovako ireny ho zava-maharikoriko azy.
21Ary hatolotro ho babo eny an-tànan’ny hafa firenena izy,
Eny, ho babo ho an’ny ratsy fanahy amin’ny tany,
Ka holotoin’ireny izy.
22Dia hiamboho azy koa Aho,
Ka holotoiny ny rakitro;
Fa hiditra ao aminy ny mpandroba ka handoto azy.
23Manefe gadra,
Fa efa feno fitsarana ny amin’ny fandatsahan-dra ny tany,
Ary feno fampahoriana ny tanàna.
24Ka dia hitondra izay jentilisa ratsy indrindra Aho,
Ary ho lasan’ireny ny tranony;
Dia hatsahatro ny avonavon’ny mahery,
Ary holotoina ny fitoerany masina.
25Ho avy ny fandringanana;
Ary hitady fiadanana izy, fa tsy hisy.
26Mifanontona ny fandravana,
Ary mifanindry ny filazan-doza;
Dia manontany fahitana amin’ny mpaminany izy,
Fa tsy misy lalàna intsony amin’ny mpisorona,
Na fahendrena amin’ny anti-panahy.
27Hitomany ny mpanjaka, eny, hitafy fahatalanjonana ny andriana,
Ary hangovitra ny tànan’ny vahoaka;
Araka ny alehany no hataoko aminy,
Ary hotsaraiko araka ny fitsarana nataony izy,
Ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.