Salamo 148 - Malagasy Protestant Bible

Fiantsoana izao rehetra izao hidera an’Andriamanitra.

1HALELOIA.

Miderà an’i Jehovah, ry any an-danitra;

Miderà Azy any ambony.

2Miderà Azy, ry anjeliny rehetra;

Miderà Azy, ry miaramilany rehetra.

3Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana;

Miderà Azy, ry kintana mazava rehetra.

4Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra,

Ary hianareo rano ambonin’ny lanitra.

5Aoka hidera ny anaran’i Jehovah ireo;

Fa Izy no nandidy, dia ary ireo.

6Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy;

Nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra.

7Miderà an’i Jehovah etỳ an-tany.

Hianareo dragona sy hianareo rano lalina rehetra,

8Ny afo sy ny havandra, ny orampanala sy ny zavona,

Ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny,

9Ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra,

Ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra,

10Ny bibi-dia sy ny biby fiompy rehetra,

Ny biby mandady na mikisaka ary ny voro-manidina,

11Ny mpanjaka amin’ny tany sy ny vahoaka rehetra,

Ny mpanapaka sy ny mpitsara rehetra amin’ny tany,

12Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy,

Na ny antitra, na ny tanora,–

13Samia midera ny anaran’i Jehovah avokoa,

Fa ny anarany ihany no misandratra;

Ambonin’ny tany sy ny lanitra ny voninahiny.

14Ary manandratra tandroka ho an’ny olony Izy,

Dia fiderana ho an’ny olony masina rehetra,

Eny, ho an’ny Zanak’Isiraely, firenena akaiky Azy.

Haleloia.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help