Salamo 11 - Malagasy Protestant Bible

Ny avalin’ny mahery finoana izay sakaizany saro-tahotra.

1Ho an’ny mpiventy hira. Nataon’i Davida.

JEHOVAH no ialofako;

Ahoana no anaovanareo amin’ny fanahiko hoe:

Mandosira ho any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely?

2Fa, indro, ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany;

Efa nanamboatra ny zana-tsipìkany eo amin’ny kofehy izy,

Nikendry tao amin’ny maizina hitifitra ny mahitsy fo.

3Fa rava ny fanorenana,

Ka inona indray no azon’ny marina atao?

4Jehovah dia ao amin’ny tempoliny masina,

Ny seza fiandrianan’i Jehovah dia any an-danitra;

Ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak’olombelona.

5Jehovah mizaha toetra ny marina;

Fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan’ny fanahiny.

6Handatsaka fandrika amin’ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana;

Afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.

7Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany;

Ny mahitsy no hahita ny tavany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help