1Fihirana fiakarana.
IZAY matoky an’i Jehovah dia tahaka ny tendrombohitra Ziona,
Izay tsy mihetsika, fa mitoetra mandrakizay.
2Tahaka ny tendrombohitra manodidina an’i Jerosalema
No anodidinan’i Jehovah ny olony
Hatramin’izao ka ho mandrakizay.
3Fa tsy hitoetra eo amin’ny anjaran’ny marina ny tehim-panjakan’ny ratsy fanahy,
Fandrao ny marina haninjitra ny tànany hanendry zava-dratsy.
4Jehovah ô, manaova soa amin’ny tsara
Sy ny mahitsy fo.
5Fa izay mivily ho amin’ny sakeli-dàlana mivilivily
Dia horoahin’i Jehovah miaraka amin’ny mpanao ratsy anie.
Fiadanana anie ho amin’ny Isiraely.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.