Salamo 141 - Malagasy Protestant Bible

Fitarainana ataon’izay alaim-panahy sy enjehina.

1Salamo nataon’i Davida.

JEHOVAH ô, mitaraina aminao aho, faingana hankatỳ amiko;

Henoy ny feoko amin’ny fiantsoako Anao.

2Aoka hankeo anatrehanao mandrakariva toy ny ditin-kazo manitra ny fivavako,

Ary ho toy ny fanatitra hariva ny fanandratako ny tànako.

3Jehovah ô, asio fiambenana eo anoloan’ny vavako;

Hambeno ny varavaran’ny molotro.

4Aza avela hirona ho amin’ny zava-dratsy ny foko,

Hiray raharaha amin’ny olona mpanao ratsy hanao izay asa tsy mety;

Ary aoka tsy hihinana ny zava-piny aho.

5Aoka ny marina hamely ahy amin’ny fahalemen-panahy ka hananatra ahy,

Fa diloilo ahosotra ny lohako izany, ary aoka tsy handa izany ny lohako;

Fa ny hany heriko dia ny mbola hivavaka ihany noho ny faharatsian’ireny.

6Havarina amin’ny hantsam-bato ny mpitsara azy,

Dia hankasitraka ny teniko ny olona.

7Toy ny fiasa sy ny fihevo ny tany

No nanelezana ny taolanay teo am-bavan’ny fiainan-tsi-hita.

8Fa Hianao no andrandrain’ny masoko, Jehovah Tompo ô;

Hianao no ialofako, aza mandatsaka ny aiko.

9Arovy aho amin’ny fandrika amandrihany ahy

Sy amin’ny tadivavaran’ny mpanao ratsy.

10Aoka ny ratsy fanahy ho latsaka eo anatin’ny fandriny ihany,

Fa izaho kosa handalo fotsiny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help