Salamo 56 - Malagasy Protestant Bible

Fangataham-pamonjena amin’Andriamanitra sy fahatokiana Azy any am-pandosirana.

1Ho an’ny mpiventy hira. Al-jonath-elem-rehokim. Miktama nataon’i Davida, fony nisambotra azy tany Gata ny Filistina.

MAMINDRÀ fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona;

Miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy.

2Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy;

Maro tokoa no mirehareha miady amiko.

3Amin’ny andro atahorako no itokiako Anao.

4Andriamanitra no iderako ny teniny;

Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho;

Inona no hataon’ny nofo amiko?

5Manimba ny raharahako mandrakariva ireny;

Ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.

6Miangona izy, miery izy,

Mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko.

7Amin’izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va?

Aripaho amin’ny fahatezeranao ny firenena, Andriamanitra ô.

8Manisa ny firenireneko Hianao;

Ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko;

Tsy eo amin’ny bokinao va ireny?

9Amin’izay dia hiamboho ny fahavaloko amin’ny andro hiantsoako Anao;

Izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra.

10Andriamanitra no iderako ny teniny;

Jehovah no iderako ny teniny.

11Andriamanitra no itokiako;

Ka tsy mba hatahotra aho;

Inona no hataon’ny olona amiko?

12Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô,

Dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao.

13Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin’ny fahafatesana Hianao;

Eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka.

Handehanako eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny fahazavan’ny velona.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help