Salamo 60 - Malagasy Protestant Bible

Fiantsoan’ny efa resim-pahavalo mba hotsarovan’Andriamanitra ny teniny.

1Ho an’ny mpiventy hira. Al-shoshan-edoth. Miktama nataon’i Davida hampianarana, fony izy nanafika an’i Mesopotamia sy Arama-zoba, tamin’ny niverenan’i Joaba ka namelezany ny Edomita roa arivo amby iray alin-dahy teo amin’ny Lohasahan-tsira.

ANDRIAMANITRA ô, efa nanary sy nampihahaka anay Hianao;

Efa tezitra Hianao, velombelomy izahay.

2Efa nampihorohoro ny tany Hianao ka namaky azy;

Amboary izay rava aminy, fa mihozongozona izy.

3Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra Hianao,

Ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky.

4Efa notoloranao faneva ny matahotra Anao,

Hatsangany noho ny fahamarinana.

[Sela.]

5Mba hahafahan’ny malalanao,

Dia vonjeo amin’ny tànanao ankavanana aho, ka valio.

6Andriamanitra niteny tamin’ny fahamasinany hoe:

Hifaly Aho ka hizara an’i Sekema;

Ary ny lohasahan’i Sokota horefesiko.

7Ahy Gileada, Ahy koa Manase;

Ary aron’ny lohako Efraima;

Tehim-panjakako Joda;

8Tavin-dranoko fanasana Moaba;

Edoma no anipazako ny kapako;

Mihobia noho ny amiko, ry Filistia.

9Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy?

Iza no hitarika ahy ho any Edoma?

10Tsy Hianao va, Izay efa nanary anay, Andriamanitra ô,

Sady tsy nivoaka niaraka tamin’ny antokon’ny miaramilanay, Andriamanitra ô?

11Vonjeo amin’ny mpandrafy izahay;

Fa zava-poana ny famonjena ataon’ny olona.

12Andriamanitra no haherezantsika;

Fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help