Salamo 48 - Malagasy Protestant Bible

Ny tsy nahazoan’ny fahavalo hamely ny tanànan’Andriamanitra, Mpanjaka lehibe.

1Tonon-kira. Salamo nataon’ny Koraïta.

LEHIBE Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra,

Ao an-tanànan’Andriamanitsika, ao an-tendrombohiny masina.

2Avo mahafinaritra, fifalian’ny tany rehetra, ny tendrombohitra Ziona,

Eo amin’ny ilany avaratra,

Tanànan’ny Mpanjaka lehibe.

3Andriamanitra ao an-tranon’andriana ao

Dia nanao izay hahafantarana Azy ho fiarovana avo.

4Fa he! niangona ny mpanjaka maro,

Niara-nandroso avokoa izy;

5Nijery izy ka talanjona terỳ;

Very hevitra izy ka nalaky nandositra;

6Hovitra no nahazo azy teo,

Dia tahaka ny fanaintainan’ny vehivavy raha miteraka.

7Amin’ny rivotra avy any atsinanana

No namakianao ny sambon’i Tarsisy.

8Araka izay efa rentsika no hitantsika

Tao an-tanànan’i Jehovah, Tompon’ny maro, tao an-tanànan’Andriamanitsika.

Andriamanitra mampitoetra azy mandrakizay.

[Sela.]

9Efa nieritreritra ny famindramponao izahay, Andriamanitra ô,

Tao anatin’ny tempolinao.

10Araka ny anaranao, Andriamanitra ô, no fiderana Anao

Hatramin’ny faran’ny tany;

Feno fahamarinana ny tànanao ankavanana.

11Aoka hifaly ny tendrombohitra Ziona,

Aoka ho ravoravo ny zanakavavin’i Joda,

Noho ny fitsaranao.

12Manodidìna an’i Ziona hianareo, eny, mandehana manodidina azy;

Isao ny tilikambony,

13Hevero tsara ny màndany,

Diniho ny tranon’andrianany,

Mba hambaranareo amin’ny taranaka mandimby.

14Fa izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria;

Izy no hitarika antsika na dia hatramin’ny fahafatesana aza.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help