Salamo 92 - Malagasy Protestant Bible

Fifaliana amin’Andriamanitra noho ny asany sy ny fitsarany marina.

1Salamo. Tonon-kira hatao amin’ny andro Sabata.

TSARA ny hidera an’i Jehovah

Sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô,

2Ary hanambara ny famindramponao nony maraina

Sy ny fahamarinanao nony alina,

3Amin’ny valiha tory folo

Sy amin’ny feon-dokanga.

4Fa ampifalinao amin’ny nataonao aho, Jehovah ô;

Ny asan’ny tànanao no hihobiako.

5Jehovah ô, akory ny halehiben’ny asanao!

Lalina indrindra ny fisainanao.

6Ny ketrina tsy mahafantatra izany,

Ary ny adala koa tsy mba mahalala.

7Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy,

Ary mamony ny mpanao ratsy rehetra,

Dia izany no ho fandringanana azy mandrakizay;

8Nefa Hianao, Jehovah ô, dia avo mandrakizay.

9Fa, indreo, ny fahavalonao, Jehovah ô,

Fa, indreo, ringana ny fahavalonao;

Mihahaka ny mpanao ratsy rehetra.

10Fa ny tandroko kosa asandratrao ho tahaka ny an’ny ombimanga;

Mihosotra diloilo vaovao aho.

11Ary faly ny masoko mahita ny amin’ny fahavaloko,

Ary finaritra ny sofiko mandre ny amin’ny ratsy fanahy izay efa mitsangana hamely ahy.

12Ny marina hamololona tahaka ny rofia;

Hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy;

13Efa nambolena tao an-tranon’i Jehovah izy

Ka maniry eo an-kianjan’Andriamanitsika;

14Mbola manorobona ihany izy, na dia efa antitra aza;

Dofodofotra sy maitso izy,

15Mba hanambara fa mahitsy Jehovah,

Vatolampiko Izay tsy misy tsiny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help