1Ho an’ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ny valiha. Salamo. Tonon-kira.
ANDRIAMANITRA anie hamindra fo aminay sy hitahy anay;
[Sela.]
Hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy;
2Mba ho fantatra etỳ ambonin’ny tany ny làlanao
Sy ny famonjenao any amin’ny jentilisa rehetra.
3Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô;
Eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
4Hifaly sy hihoby ny firenen-tsamy hafa,
Satria mitsara marina ny firenena Hianao;
Ny firenen-tsamy hafa ambonin’ny tany dia entinao.
[Sela.]
5Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô;
Eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
6Ny tany efa nahavokatra;
Mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.
7Mitahy antsika Andriamanitra;
Ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.