Salamo 99 - Malagasy Protestant Bible

Fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra noho ny fahalehibiazany sy ny fahamarinany.

1JEHOVAH no Mpanjaka, aoka hangovitra ny firenena;

Mipetraka amin’ny kerobima Izy, aoka hihorohoro ny tany.

2Lehibe any Ziona Jehovah;

Ary avo ambonin’ny firenena rehetra Izy.

3Aoka hidera ny anaranao lehibe sy mahatahotra ireo;

Fa masina Jehovah.

4Ny herin’ny mpanjaka dia tia rariny;

Ampitoerinao ny fahitsiana;

Fitsarana sy fahamarinana no ataonao eo amin’i Jakoba.

5Manandrata an’i Jehovah Andriamanitsika hianareo,

Ka miankohofa eo amin’ny fitoeran-tongony;

Fa masina Izy.

6Mosesy sy Arona tamin’ny mpisorony,

Ary Samoela tamin’izay mpiantso ny anarany,–

Niantso an’i Jehovah ireo, ary namaly azy Izy.

7Niteny taminy tao anatin’ny andri-rahona Izy;

Nitandrina ny teni-vavolombelony izy ireo,

Dia ny didy izay efa nomeny azy.

8Jehovah Andriamanitray ô, Hianao no namaly ny nataony;

Andriamanitra, Mpamela ny helony Hianao,

Na dia namaly azy noho ny nataony aza.

9Asandrato Jehovah Andriamanitsika,

Ary miankohofa eo an-tendrombohiny masina;

Fa masina Jehovah Andriamanitsika.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help