Isaia 19 - Malagasy Protestant Bible

Faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Egypta.

1FAMINANIANA ny amin’ny loza hanjo an’i Egypta:

Indro, Jehovah mitaingina rahona miriotra mafy ka mankany Egypta;

Ary ny andriamani-tsi-izy any Egypta dia mangorohoro eo anatrehany,

Ary ny fon’i Egypta dia ketraka ao anatiny.

2Ary hamporisihiko hiady izy samy Egyptiana,

Ka samy hiady amin’ny rahalahiny avy sy amin’ny namany avy izy;

Ny tanàna hiady amin’ny tanàna, ary ny fanjakana amin’ny fanjakana.

3Ary ho very hevitra ny Egyptiana;

Eny, hofoanako ny saina ataony;

Ary hila saina amin’ny andriamani-tsi-izy sy amin’ny mpibitsibitsika amin’ny odiny izy

Sy amin’ny manao azy ho tsindrian-javatra ary amin’ny mpanao sikidy.

4Ary Egypta dia hatolotro hogiazana amin’izay fitondrana mafy,

Ary mpanjaka masiaka no hanjaka aminy,

Hoy Jehovah, Tompon’ny maro.

5Ny rano amin’ny ranomasina ho tankina,

Ary ny ony ho ritra ka ho maina;

6Ho maimbo ny sampantsampan’ny ony;

Ary ny lahindranon’i Egypta hihena ka ho maina;

Ny volotara sy ny zozoro halazo;

7Ny tany eny amoron’i Neily

Sy ny tanimbary rehetra eny amoron’i Neily

Samy ho maina sy hanjary vovoka ka tsy ho eo intsony.

8Dia hitomany ny mpaka hazandrano,

Ary hisaona ny mpamintana rehetra ao Neily,

Ary ho reraka ny mpandatsaka harato amin’ny rano.

9Ho very fanantenana izay mandraotra rongony amin’ny fihogo

Sy izay manenona hariry.

10Ny andrin’ ny tany ho torotoro,

Ary ny mpikarama rehetra halahelo.

11Efa adala mihitsy ny mpanapaka any Zoana;

Hevi-poana no avoak’izay hendry indrindra amin’ny mpanolotsain’i Farao;

Ahoana no ilazanareo amin’i Farao hoe:

Zanak’olon-kendry aho sady taranak’ireo mpanjaka fahagola?

12Aiza ary ireo olon-kendrinao ireo?

Aoka hanambara aminao izy,

Ary aoka ho fantany izay nokasain’i Jehovah, Tompon’ny maro, hatao amin’i Egypta.

13Efa adala ny mpanapaka any Zoana,

Efa voafitaka ny mpanapaka any Memfisa;

Ary efa nampivembena an’i Egypta ireo fehizoron’ny fireneny.

14Jehovah efa nampidina fanahy mampandraingiraingy teo Egypta;

Ka efa nampivembena azy tamin’ny asany rehetra ireo,

Dia tahaka ny olona mamo miraingiraingy sady mandoa.

15Samy tsy hahatontosa ny asany ny Egyptiana,

Na ny loha na ny rambo, na ny sampan-drofia na ny zozoro.

16Amin’izany andro izany dia ho tahaka ny vehivavy Egypta

Ka ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra

Noho ny faninjitr’i Jehovah, Tompon’ny maro, ny tànany,

Izay ahinjiny hamelezany azy.

17Ary ny tanin’ny Joda dia ho fahatahoran’i Egypta,

Ka na oviana na oviana no misy miresaka izany aminy dia ho raiki-tahotra izy

Noho ny fikasan’i Jehovah, Tompon’ny maro,

Izay kasainy ny amin’ny hamelezana azy.

18Amin’izany andro izany dia hisy tanàna dimy amin’ny tany Egypta

Samy hiteny ny fitenin’i Kanana

Sy hianiana ho an’i Jehovah, Tompon’ny maro;

Ny anankiray hatao hoe Ira-haresa.

19Amin’izany andro izany dia hisy alitara ho an’i Jehovah eo amin’ny tany Egypta

Sy tsangam-bato eo an-tsisiny ho an’i Jehovah.

20Ary ho famantarana sy vavolombelona ho an’i Jehovah, Tompon’ny maro,

Ao amin’ny tany Egypta izany;

Fa hitaraina amin’i Jehovah noho ny mpampahory izy,

Ary haniraka mpamonjy sy mpiaro ho ao aminy Izy ka hamonjy azy.

21Ary Jehovah hanao izay hahafantaran’ny Egyptiana Azy,

Ary ny Egyptiana kosa hahalala an’i Jehovah amin’izany andro izany;

Dia hanompo Azy amin’ny fanatitra alatsa-dra sy amin’ny fanatitra hohanina izy

Ka hivoady amin’i Jehovah sady hanefa ny voadiny.

22Ary Jehovah hamely ny Egyptiana,

Eny, fa sady hamely Izy no hanasitrana;

Dia hiverina ho any amin’i Jehovah ireo,

Ka hekeny ny fangatahany, ary hositraniny izy.

23Amin’izany andro izany dia hisy làlambe avy any Egypta mankany Asyria,

Koa ny Asyriana dia hankany Egypta, ary ny Egyptiana kosa hankany Asyria,

Ary ny Egyptiana sy ny Asyriana hiara-mivavaka.

24Amin’izany andro izany ny Isiraely no ho fahatelony amin’i Egypta sy Asyria

Ho fitahiana eo amin’ny tany;

25Fa hotahin’i Jehovah, Tompon’ny maro, ireo ka hataony hoe:

Hotahina anie Egypta oloko,

Sy Asyria, asan’ny tànako,

Ary Isiraely lovako.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help