1Nataon’i Davida.
HIDERA Anao amin’ny foko rehetra aho;
Eo anatrehan’ireo andriamanitra no hankalazako Anao.
2Hivavaka manandrify ny tempolinao masina aho
Ka hidera ny anaranao noho ny famindramponao sy ny fahamarinanao;
Fa efa nomenao voninahitra ny teninao ho ambonin’ny anaranao rehetra.
3Tamin’ny andro nitarainako dia namaly ahy Hianao;
Nomenao fahasahiana aho, ka nisy hery ny fanahiko.
4Jehovah ô, hidera Anao ny mpanjaka rehetra amin’ny tany,
Fa handre ny tenin’ny vavanao izy.
5Eny, hihira ny amin’ny làlan’i Jehovah izy;
Fa lehibe ny voninahitr’i Jehovah.
6Fa na dia avo aza Jehovah, dia mijery ny ambany toetra,
Ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny.
7Na dia handeha eo amin’ny fahoriana aza aho, dia hamelona ahy Hianao;
Haninjitra ny tànanao hanohitra ny fahatezeran’ny fahavaloko Hianao
Ary hamonjy ahy ny tànanao ankavanana.
8Jehovah no hahatanteraka ny amiko;
Jehovah ô, mandrakizay ny famindramponao;
Aza mahafoy ny asan’ny tànanao.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.