1Salamo nataon’i Davida, fony izy nandositra an’i Absaloma zanany.
JEHOVAH ô, akory izato hamaroan’ny mampahory ahy!
Maro no mitsangana hanohitra ahy.
2Maro no milaza ny fanahiko hoe:
Tsy manam-pamonjena amin’Andriamanitra izy.
[Sela.]
3Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy,
Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.
4Amin’ny feoko no iantsoako an’i Jehovah,
Ary any an-tendrombohiny masina no mamaly ahy Izy.
[Sela.]
5Izaho nandry ka natory;
Nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy.
6Tsy hatahotra olona alinalina aho,
Izay milahatra manodidina hamely ahy.
7Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô!
Fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao;
Ny nifin’ny ratsy fanahy novakivakinao.
8n’i Jehovah ny famonjena;
Ho amin’ny olonao anie ny fitahianao.
[Sela.]
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.