Salamo 12 - Malagasy Protestant Bible

Fitarainana noho ny tsi-fahamarinan’ny maro.

1Ho an’ny mpiventy hira. Al-hasheminith. Salamo nataon’i Davida.

VONJEO, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy;

Eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin’ny zanak’ olombelona.

2Samy milaza lainga amin’ny namany amin’ny molotra mandrobo izy;

Fo mamorom-pitaka no itenenany.

3Holevonin’i Jehovah anie ny molotra mandrobo rehetra

Sy ny lela miteny avonavona,

4Izay manao hoe: Hampahery anay ny lelanay;

Miandany aminay ny molotray; iza no tomponay?

5Noho ny fampahoriana ny ory sy ny fisentoan’ny malahelo

Dia hitsangana Aho ankehitriny, hoy Jehovah;

Hovonjeko izay vingavingain’ny sasany.

6Ny tenin’i Jehovah dia teny madio,

Tahaka ny volafotsy voarendrika tao anatin’ny memy ka mitsoriaka amin’ny tany–eny, voadio impito.

7Hianao, Jehovah ô, no hiaro azy,

Hianao no hiambina azy mandrakizay tsy ho azon’ity taranaka ity.

8Raha avy izay isandratan’ny tsinontsinona eo amin’ny zanak’olombelona

Dia mieboebo ombieniombieny ny ratsy fanahy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help