Jeremia 16 - Malagasy Protestant Bible

Ny nasain’Andriamanitra nataon’i Jeremia ny amin’ny loza hampijaliana ny Joda.

1ARY tonga tamiko ny tenin’i Jehovah hoe:

2Aza manam-bady hianao,

Ary aoka tsy hanan-janakalahy na zanakavavy amin’ity tany ity.

3Fa izao no lazain’i Jehovah ny amin’ny zanakalahy sy ny zanakavavy izay teraka amin’ity tany ity

Sy ny amin’ny reniny izay niteraka azy

Ary ny amin’ny rainy izay niteraka azy amin’ity tany ity koa:

4Ho fatin’ny loza samy hafa izy,

Nefa tsy hisaonana na halevina,

Fa ho zezika eny ambonin’ny tany;

Ary ho lanin-tsabatra sy mosary izy,

Ka ho fihinan’ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.

5Fa izao no lazain’i Jehovah:

Aza miditra amin’ny trano misy fisaonana,

Ary aza misaona na mitsapa alahelo azy;

Fa efa nesoriko tsy ho amin’ity firenena ity ny fiadanako, hoy Jehovah,

Dia ny famindrampo sy ny fiantrana.

6Ho faty na ny lehibe na ny kely amin’ity tany ity;

Samy tsy halevina na hisaonana izy,

Na hitetehan’ny sasany tena, na hiboriany;

7Ary tsy hisy hamahan-kanina azy amin’ny fisaonany,

Mba hampionona azy ny amin’ny maty;

Ary tsy hisy hampisotro azy amin’ny kapoaka fampiononana,

Raha maty ny rainy na ny reniny;

8Ary aza miditra ao amin’ny trano misy fanasana koa hianao,

Hiara-mitoetra aminy hihinana sy hisotro.

9Fa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro, Andriamanitry ny Isiraely:

Indro, hatsahatro amin’ity tany ity

Eo imasonareo sy amin’ny andronareo

Ny feo mifaly sy ny feo miravoravo,

Dia ny feon’ny mpampakatra sy ny feon’ny ampakarina.

10Ary raha ambaranao amin’ity firenena ity izany teny rehetra izany, ka hoy izy aminao: Nahoana Jehovah no nilaza izany loza mafy rehetra izany hamelezana anay? Fa inona no helokay, ary inona no fahotanay, izay nanotanay tamin’i Jehovah Andriamanitray?

11dia lazao aminy hoe:

Noho ny nahafoizan’ny razanareo Ahy, hoy Jehovah,

Sy ny nanarahany andriamani-kafa

Sy ny nanompoany azy sy ny niankohofany teo anatrehany

Ary ny nahafoizany Ahy sy ny tsy nitandremany ny lalàko.

12Ary ny tenanareo koa nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo;

Fa he! hianareo samy mandeha araka ny ditry ny fo ratsinareo avokoa

Ka tsy mihaino Ahy;

13Ka dia horoahiko hiala amin’ity tany ity hianareo

Ho any amin’ny tany tsy fantatrareo na ny razanareo;

Any no hanompoanareo andriamani-kafa andro aman-alina,

Satria tsy hamindra fo aminareo Aho.

14Koa, indro, avy any andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana intsony hoe:

Raha velona koa Jehovah,

Izay nitondra ny Zanak’Isiraely niakatra avy tany amin’ny tany Egypta;

15Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah,

Izay nitondra ny Zanak’Isiraely niakatra avy tany amin’ny tany avaratra

Sy avy tany amin’ny tany rehetra izay nandroahany azy;

Fa hampodiko ho amin’ny tany izay nomeko ny razany izy.

16Indro, Izaho haniraka mpamovo maro, hoy Jehovah,

Izay hamovo azy;

Ary rehefa afaka izany, dia haniraka mpihaza maro Aho,

Izay hihaza azy

Any amin’ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra

Ary any an-tsefatsefaky ny harambato.

17Fa ny masoko dia mijery ny alehany rehetra,

Ka tsy miafina amin’ny tavako izany,

Ary tsy takona amin’ny masoko ny helony.

18Alohan’izany anefa dia hovaliako avy sasaka ny helony sy ny fahotany

Noho ny nandotoany ny taniko,

Dia ny namenoany ny lovako tamin’ireo fatin’ny sampiny sy fahavetavetany ireo.

19Jehovah ô, ry heriko sy fiarovana mafy ho ahy

Ary fandosirako amin’ny andro fahoriana ô!

Ho tonga aminao ny jentilisa avy any amin’ny faran’ny tany

Ka hanao hoe:

Eny, tokoa lainga no nolovan’ny razanay,

Dia zava-poana sady tsy misy mahasoa.

20Moa mahay manao andriamanitra ho azy va ny olona?

Tsy Andriamanitra ireny.

21Koa, indro, hampahafantariko azy amin’izao indray mandeha izao,

Eny, hampahafantariko azy ny tànako sy ny heriko,

Ka dia ho fantany fa Jehovah no anarako.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help