Salamo 140 - Malagasy Protestant Bible

Fangataham-piarovana noho ny ataon’ny olona ratsy fanahy sy fetsy vava.

1Ho an’ny mpiventy hira. Salamo nataon’i Davida.

JEHOVAH ô, vonjeo amin’ny olon-dratsy aho,

Ary arovy amin’ny olon-dozabe,

2Izay mihevitra ratsy ao am-pony

Ka manangana ady isan-andro.

3Mandranitra ny lelany tahaka ny bibilava izy,

Ny poizin’ny menarana no ao ambanin’ny molony.

[Sela.]

4Jehovah ô, vonjeo amin’ny tànan’ny ratsy fanahy aho,

Ary arovy amin’ny olon-dozabe,

Izay efa nihevitra handronjina ahy ho potraka.

5Ny mpiavonavona efa nanafina fandrika sy kofehy hamandrihany ahy;

Efa namela-pandrika harato teo amoron-dàlana izy;

Nametraka tadivavarana hahazoany ahy izy.

[Sela.]

6Hoy izaho tamin’i Jehovah: Andriamanitro Hianao;

Henoy ny feon’ny fifonako, Jehovah ô!

7Jehovah, Tompo ô, ry Herin’ny famonjena ahy,

Manarona ny lohako amin’ny andro fiadiana Hianao.

8Jehovah ô, aza manome ny irin’ny ratsy fanahy;

Ary aza avela ho tanteraka ny hevi-dratsiny, fandrao hisandratra izy.

[Sela.]

9Ny lohan’izay manemitra ahy

Dia aoka hosaronan’ny ratsy tononin’ny molony.

10Aoka hisy vain’afo halatsaka aminy;

Aoka hariana any anaty afo izy, na any amin’ny rano lalina, ka tsy hiarina intsony.

11Tsy hampitoerina amin’ny tany ny olo-mahay vava;

Henjehin-doza ny olon-dozabe ka ho lavo.

12Fantatro fa Jehovah no handahatra ny tenin’ny mahantra

Sady hanome rariny ho an’ny malahelo.

13Eny tokoa, ny marina hisaotra ny anaranao;

Hitoetra eo anatrehanao ny mahitsy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help