1Miktama nataon’i Davida.
AROVY aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho.
2Hoy izaho ny amin’i Jehovah: Tompoko Hianao;
Tsy misy soa ananako azo oharina aminao;
3Ary ny amin’ny olona masina ambonin’ny tany,
Ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra.
4Ho be ny fahorian’izay manova an’Andriamanitra hatakalony ny hafa.
Tsy mba hanatitra ny fanati-dra aidiny aho,
Ary tsy mba hotononin’ny molotro ny anarany.
5Jehovah no anjara lovako sy kapoakako;
Hianao no mampaharitra ny anjarako.
6Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin’ny tany mahafinaritra;
Eny, manan-dova tsara aho.
7Hisaotra an’i Jehovah Izay manome saina ahy aho;
Ary na amin’ny alina aza dia mananatra ahy ny foko.
8Ataoko eo anatrehako mandra-kariva Jehovah,
Fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.
9Izany no ifalian’ny foko sy iravoravoan’ny fanahiko;
Eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy.
10Fa tsy ho foinao ho any amin’ny fiainan-tsi-hita ny aiko;
Tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin’ ny lavaka Hianao.
11Hampahafantatra ahy ny làlan’aina Hianao;
Fahavokisam-pifaliana no eo anatrehanao,
Ary fahafinaretana no eo an-tànanao ankavanana mandrakizay.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.