1Fihirana fiakarana.
FONY Jehovah nampody an’i Ziona avy tamin’ny fahababoany,
Dia tahaka izay nanonofy isika.
2Fahizay dia feno hehy ny vavantsika
Sy fihobiana ny lelantsika;
Dia natao tany amin’ny jentilisa hoe:
Zava-dehibe no nataon’i Jehovah ho an’ireny.
3Eny, zava-dehibe no nataon’i Jehovah ho antsika,
Ka dia faly isika.
4Tanteraho, Jehovah ô, ny hampodiana anay avy amin’ny fahababoana,
Tahaka ny fiverenan’ny riaka any amin’ny tany atsimo.
5Izay mamafy am-pitomaniana
Dia hijinja am-pifaliana.
6Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy,
Fa hiverina mitondra ny amboarany amin’ny fihobiana kosa.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.