Titosy 2 - Malagasy Protestant Bible

Ny mety hataon’ny anti-panahy sy ny tanora fanahy sy ny mpanompon’olona, ary fananarana sy hafatra samy hafa.

1FA hianao kosa dia milazà izay mendrika ny fampianarana tsy misy kilema;

2ny lehilahy anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka amin’ny finoana, amin’ny fitiavana, amin’ny faharetana.

3Ny vehivavy anti-panahy koa anaro hitondra tena toy izay mendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin’ny divay be, ho mpampianatra ny zavatra tsara,

4mba hampianarany ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany,

5hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin’Andriamanitra.

6Ny lehilahy tanora fanahy koa anaro hahonon-tena;

7ka amin’ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara, amin’ny fampianaranao maneho ny tsi-faharatsiana, ny fahamaotinana,

8ny teny tsy misy kilema, izay tsy azo tsinina, mba ho menatra izay manohitra, satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo.

9Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin’ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly,

10tsy hangala-tety, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ny zavatra rehetra.

11Fa efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra,

12mampianatra antsika handa izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao,

13miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy,

14Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara izany.

15Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin’ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help