Isaia 22 - Malagasy Protestant Bible

Faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Jerosalema.

1FAMINANIANA ny amin’ny Lohasahan’ny Fahitana.

Inona re izato manjo anareo,

No dia miakatra eny an-tampon-trano avokoa hianareo,

2Ry ilay be horakoraka,

Tanàna be tabataba, vohitra miravoravo?

Ny faty eo aminao dia tsy mba novonoin-tsabatra, na maty an-ady.

3Niara-nandositra ny lehibenao,

Nafatotra tsy amin-tsipìka izy;

Izay rehetra hita tao aminao dia niara-nafatotra,

Na dia nitady handositra lavitra aza.

4Koa izany no anaovako hoe:

Mihodìna tsy hijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho;

Aza dia fatra-pampionona ahy

Noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy.

5Fa ao amin’ny Lohasahan’ny Fahitana

Dia misy andron’i Jehovah, Tompon’ny maro,

Andro fitabatabana sy fanosihosena sy fahaverezan-kevitra,

Ary fandravana ny mànda

Sy fidradradradrana manako hatrany an-tendrombohitra.

6Ary Elama mitondra ny tranon-jana-tsipìka

Mbamin’ny kalesy misy olona sy ny mpitaingin-tsoavaly;

Ary Kira manaisotra ny fonon’ampinga.

7Izay tsara indrindra amin’ny lohasahanao dia feno kalesy,

Ary ny mpitaingin-tsoavaly milahatra eo am-bavahady.

8Dia alana ny fisalobonan’i Joda,

Ary mijery ny fiadiana ao an-Tranoala hianao amin’izany andro izany.

9Ary hitanareo fa banga be ihany ny Tanànan’i Davida;

Ary mamory ny rano avy amin’ny kamory ambany hianareo.

10Isainareo ny trano any Jerosalema,

Ka dia ravanareo ny trano ho enti-manamafy ny mànda.

11Mihady lavaka famorian-drano eo anelanelan’ny mànda roa hianareo

Halehan’ny rano avy amin’ny kamory ela;

Kanefa tsy mijery Izay efa nanomana izao zavatra izao hianareo,

Na mahita Izay nikasa azy hatry ny fony ela.

12Ary amin’izany andro izany Jehovah, Tompon’ny maro,

Hiantso fitomaniana sy fioriana

Sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana.

13Kanjo he izato hafaliana sy haravoravoana!

Sy famonoana omby sy ondry aman-osy

Ary fihinanan-kena sy fisotroan-divay!

Aoka isika hihinana sy hisotro,

Fa rahampitso dia ho faty.

14Dia nambaran’i Jehovah, Tompon’ny maro, teo an-tsofiko izao:

Tsy havela mihitsy ambara-pahafatinareo izao helokareo izao,

Hoy Jehovah, Tompon’ny maro.

Ny amin’ny nanonganana an’i Sebna sy ny nanendrena an’i Eliakima ho solony.

15IZAO no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro:

Andeha mankao amin’ilay mpanolo-tsaina io,

Dia ao amin’i Sebna, lehiben’ny ao an-dapa, ka ataovy hoe:

16Manao inona etỳ hianao, ary inonao moa no etỳ,

No manao fasana etỳ hianao,

Dia manao fasana ho anao etỳ amin’ny hantsana

Sy mandoaka fonenana ho anao etỳ amin’ny harambato?

17Indro, Jehovah hanipy mafy anao,

Eny, hofiazany mafy hianao,

18Dia hovolavolainy toy ny kodiarana

Ka hakodiadiany ho any amin’ny tany malalaka;

Dia any no hahafaty anao,

Ary ho any koa ny kalesin’ny voninahitrao,

Ry ilay henatry ny mpianakavin’ny tomponao.

19Ary horoahiko hiala amin’ny fitoeranao hianao

Sy haongako hiala amin’ny raharahanao

20Ary amin’izany andro izany

Dia hantsoiko kosa Eliakima mpanompoko, zanak’i Hilkia;

21Ary hampiakanjoiko azy ny akanjonao,

Sady hosikinako amin’ny fehin-kibonao izy;

Ka dia hatolotro eo an-tànany ny fanapahanao,

Ary dia ho tonga rain’ny mponina eto Jerosalema

Sy ny taranak’i Joda izy.

22Ary hapetrako eo an-tsorony ny fanalahidin’ny tranon’i Davida;

Dia hamoha izy, ka tsy hisy handrindrina;

Ary handrindrina izy, ka tsy hisy hamoha.

23Ary hatsatoko toy ny fihantonan-javatra eo amin’ny fitoerana mafy izy

Ka ho sezam-boninahitra ho an’ny mpianakavin-drainy.

24Ary hahantona eo aminy ny havesatry ny voninahitry ny mpianakavin-drainy rehetra,

Izay zanaka sy tera-drainy rehetra,

Dia ny fanaka madinika rehetra

Hatramin’ny lovia ka hatramin’ny siny samy hafa rehetra.

25Amin’izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ny maro,

Dia hiala ilay fihantonan-javatra voatsatoka teo amin’ny fitoerana mafy;

Eny, hokapaina izy ka hianjera,

Dia ho simba ny entana izay nihantona teo aminy;

Fa Jehovah no efa niteny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help