1Ho an’ny mpiventy hira. Al-tasheth. Salamo nataon’i Asafa. Tonon-kira.
HISAORANAY Hianao, Andriamanitra ô; eny, hisaoranay Hianao;
Fa akaiky ny anaranao;
Mitory ny fahagagana ataonao ny olona.
2Fa ho avy tokoa amin’ny fotoana Aho;
Eny, Izaho no hitsara marina.
3Mihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy,
Nefa Izaho no nanorina ny andriny.
[Sela.]
4Hoy izaho tamin’ny mpirehareha: Aza mirehareha,
Ary tamin’ny ratsy fanahy: Aza manandra-tandroka;
5Aza manandratra ny tandrokareo ho avo;
Ary aza miteny sahisahy amin’ny fahamafian-katoka.
6Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana,
Na avy any atsimo, ny fisandratana.
7Fa Andriamanitra no Mpitsara;
Mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa.
8Fa misy kapoaka eo an-tànan’i Jehovah,
Feno divay mandroatra miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany;
Eny, ny ratsy fanahy rehetra amin’ny tany dia hitroka ny faikany.
9Fa izaho hanambara izany mandrakizay
Ka hankalaza an’Andriamanitr’i Jakoba.
10Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko;
Fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.