1FONY nivoaka avy tany Egypta ny Isiraely,
Dia ny taranak’i Jakoba avy tany amin’ny firenena hafa fiteny,
2Joda no fitoerany masina,
Isiraely no fanjakany.
3Ny ranomasina nahita ka nandositra;
Ary niorika Jordana.
4Ny tendrombohitra dia nifalihavanja tahaka ny ondrilahy,
Ary ny havoana tahaka ny zanak’ondry.
5Inona izato mahazo anao, ry ranomasina, no mandositra hianao?
Ary hianao, ry Jordana, no miorika hianao?
6Ary hianareo tendrombohitra, no mifalihavanja tahaka ny ondrilahy;
Ary hianareo havoana, tahaka ny zanak’ondry?
7Mihorohoroa eo anatrehan’ny Tompo, ry tany,
Dia eo anatrehan’Andriamanitr’i Jakoba,
8Izay mampody ny vatolampy ho rano monina
Ary ny afovato ho loharano.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.