1ARY teo anatin’ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an’i Joba ka nanao hoe:
2Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana
Amin’ny teny tsy misy fahalalana?
3Misikina ary tahaka ny lehilahy;
Fa hanadina anao Aho, ka valio:–
4Taiza ary hianao, fony Aho nanorina ny tany?
Ambarao, raha hainao.
5Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao?
Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?
6Teo amin’inona no nanorenana ny vodi-andriny,
Ary iza no nametraka ny vato fehizorony,
7Raha niara-nihira ny kintan’ny maraina,
Ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra?
8Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina,
Raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy,
9Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho
Ary ny aizim-pito ho fonony,
10Ary nandidy ny ho fetrany
Sady nanisy hidy sy varavarana
11Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra,
Ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?
12Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va hianao?
Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak’andro,
13Mba horaisiny ny sisin’ny tany,
Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy?
14Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny,
Ka hiseho tahaka ny lamba misoratra ny tarehiny,
15Ary hosakanana ny fahazavan’ny ratsy fanahy,
Ka ho tapaka ny sandry naingaina.
16Moa efa niditra hatrany amin’ny loharanon-dranomasina va hianao,
Ary efa nandehandeha tany amin’ny fanambanin’ny lalina?
17Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin’ny fahafatesana?
Ary efa hitanao va ny vavahadin’ny aloky ny fahafatesana?
18Moa efa voadinikao ny hatrany amin’ny fahalalahan’ny tany?
Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany.
19Aiza ary no làlana ho any amin’ny fonenan’ny mazava?
Ary aiza no fitoeran’ny maizina?
20Mba hitondranao izany ho amin’ny faran’ny alehany,
Ary ho fantatrao ny làlana ho any an-tranony.
21Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka hianao tamin’izay,
Ary maro ny isan’ny andronao!
22Moa efa niditra tany amin’ny firaketana ny orampanala va hianao?
Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra,
23Izay voatahiriko ho amin’ny andro fahoriana,
Dia ny andro misy ady sy tafika?
24Aiza moa no làlana izarazarana ny mazava
Sy ielezan’ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin’ny tany?
25Iza moa no nihady làlan-drano ho an’ny ranonorana mirotsaka be,
Sy làlan-kaleha ho an’ny helatry ny kotrokorana,
26Handatsaka ranonorana ambonin’ny tany izay tsy itoeran’olona,
Dia any amin’ny efitra tsy misy mponina,
27Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana,
Ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry?
28Manan-dray va ny ranonorana?
Ary iza kosa no miteraka ny ranon’ando?
29Kibon’iza moa no nihavian’ny ranomandry?
Ary ny vongam-panala avy amin’ny lanitra, iza no niteraka azy?
30Tonga mafy toy ny vato ny rano,
Ary mitambatra ny fanambonin’ny lalina.
31Mahavòna ny kofehin’ny Ikotokelimiadilaona va hianao,
Ary mahavaha ny Telonohorefy?
32Mahavoaka ny Mazarota amin’ny fotoany va hianao?
Ary mahatondra ny Bera mbamin’ny zanany va hianao?
33Fantatrao va ny làlan’ny lanitra?
Ary manendry ny fanapahan’ireny ny tany va hianao?
34Mahasandratra ny feonao ho amin’ny rahona matevina va hianao,
Mba hanafotra anao ny rano mandriaka?
35Mahay mandefa ny helatra va hianao,
Ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay?
36Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena,
Ary irerỳ miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana?
37Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify?
Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon’ ny lanitra,
38Hitambaran’ny vovoka ho dilatra
Sy hivonganany ho bainga?
39Mahay mihaza toha ho an’ny liom-bavy va hianao,
Sy mahafaka ny fahalianan’ny liona tanora,
40Raha mamitsaka ao amin’ny fitoerany izy
Ary manotrika ao amin’ny kirihitrala?
41Iza moa no manome hanina ny goaika,
Raha mitaraina amin’Andriamanitra ny zanany
Ka mirenireny tsy mahita hanina?
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.