Ohabolana 9 - Malagasy Protestant Bible

Ny fiantsoan’ny fahendrena sy ny fahadalana.

1NY fahendrena efa nanao ny tranony;

Efa nipaika ny andriny fito izy;

2Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy

Ary efa namelatra ny latabany koa;

3Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy;

Miantso eny an-tampon’ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe:

4Izay kely saina, dia aoka izy hankatỳ;

Ary amin’izay tsy ampy saina dia hoy izy:

5Avia, hano ny mofoko,

Ary sotroy ny divay voaharoharoko.

6Ilaozy ny kely saina, dia ho velona hianao,

Ary mizora amin’ny làlan’ny fahalalana.

7Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka;

Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny.

8Aza mananatra ny mpaniratsira hianao, fandrao halany;

Ny hendry no anaro, dia ho tiany hianao.

9Toroy ny hendry, dia hihahendry izy;

Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.

10Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena;

Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.

11Fa izaho no hampitomboana ny andronao

Sy hanamaroana ny taona hiainanao.

12Raha hendry hianao, dia hendry ho an’ny tenanao ihany;

Fa raha maniratsira kosa hianao, dia hianao ihany no hiharan’izany.

13Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavana;

Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona.

14Fa mipetraka eo am-baravaran’ny tranony izy,

Ary amin’ny seza eny amin’ny fitoerana avo eo an-tanàna,

15Mba hiantso ny mpandalo

Izay mizotra amin’ny alehany, ka manao hoe:

16Aoka hivily atỳ izay kely saina;

Ary amin’izay tsy ampy saina dia hoy izy:

17Mamy ny rano angalarina,

Ary fy ny mofo hanina amin’ny fiafenana,

18Nefa tsy fantany fa ny maty no ao,

Ary any amin’ny halalin’ny fiainan-tsi-hita ny olona nasainy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help