1Ho an’ny mpiventy hira. Nataon’i Davida. Ho fampahatsiarovana.
ANDRIAMANITRA ô, faingàna hanafaka ahy;
Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy.
2Aoka ho menatra sy hangaihay izay mitady ny aiko;
Aoka hiamboho sy ho afa-baraka izay faly amin’ny manjo ahy;
3Aoka hiamboho noho ny fahamenarany
Izay manao hoe: Hia! sakoa izay!
4Aoka hifaly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao;
Ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: Hankalazaina anie Andriamanitra.
5Fa izaho dia ory sy malahelo;
Faingàna hankatỳ amiko, Andriamanitra ô;
Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao;
Aza ela, Jehovah ô.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.