1Fihirana fiakarana.
SAMBATRA izay rehetra matahotra an’i Jehovah,
Dia izay mandeha amin’ny làlany.
2Fa hohaninao tokoa ny asan’ny tànanao;
Sambatra sady ambinina hianao.
3Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra
Ao anatin’ny tranonao;
Ny zanakao dia tahaka ny zanak’oliva
Manodidina ny latabatrao.
4Indro, fa toy izany no hitahiana
Izay lehilahy matahotra an’i Jehovah.
5Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah;
Ary ho faly hahita ny fahasoavan’i Jerosalema anie hianao
Amin’ny andro rehetra hiainanao.
6Eny, hahita ny zafinao anie hianao;
Fiadanana anie ho amin’ny Isiraely.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.