Salamo 24 - Malagasy Protestant Bible

Fiomanana handray ny Mpanjakan’ny voninahitra.

1Salamo nataon’i Davida.

AN’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy.

Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.

2Fa Izy no nanorina azy tambonin’ny ranomasina.

Tambonin’ny rano no nampitoerany azy.

3Iza no hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah?

Ary iza no hitoetra ao amin’ny fitoerany masina?

4Izay madio tànana sy mahitsy fo,

Izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin’ny lainga, na mianiana hamitaka.

5Handray fitahiana avy amin’i Jehovah izy.

Ary fahamarinana avy amin’Andriamanitry ny famonjena azy.

6Izany no taranaka mitady Azy,

Izay mitady ny tavanao,–dia Jakoba.

[Sela.]

7Asandrato ny lohanareo, ry vavahady,

Ary misandrata hianareo, ry varavarana fahagola,

Mba hidiran’ny Mpanjakan’ny voninahitra.

8Iza izao Mpanjakan’ny voninahitra izao?

Jehovah mahery tsi-toha,

Jehovah mpiady mahery.

9Asandrato ny lohanareo, ry vavahady;

Ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola,

Mba hidiran’ny Mpanjakan’ny voninahitra.

10Iza ary izao Mpanjakan’ny voninahitra izao?

Jehovah, Tompon’ny maro,

Izy no Mpanjakan’ny voninahitra.

[Sela.]

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help