1Fihirana fiakarana.
MANOPY ny masoko ho amin’ny tendrombohitra aho;
Avy aiza ny famonjena ahy?
2Ny famonjena ahy dia avy amin’i Jehovah,
Mpanao ny lanitra sy ny tany.
3Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao;
Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.
4Indro, tsy matory na rendrehana
Ny Mpiaro ny Isiraely.
5Jehovah no Mpiaro anao;
Jehovah no fialofanao eo amin’ny ankavananao.
6Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro,
Na ny volana nony alina.
7Jehovah hiaro anao amin’ny ratsy rehetra;
Eny, hiaro ny fanahinao Izy.
8Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra,
Hatramin’izao ka ho mandrakizay.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.