Salamo 127 - Malagasy Protestant Bible

Ny fahatsinontsinon’ny ataon’ny olona, raha tsy ambinin’Andriamanitra.

1Fihirana fiakarana. Nataon’i Solomona.

RAHA tsy Jehovah no manao ny trano,

Dia miasa foana ny mpanao azy.

Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna,

Dia miari-tory foana ny mpiambina.

2Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina

Sy ny alim-pandry

Ka homana ny hanina azo amin’ny fahasahiranana;

Izany anefa dia omeny ihany ho an’ny malalany, na dia matory aza izy.

3Indro, lova avy amin’i Jehovah ny zanaka maro;

Tamby ny ateraky ny kibo.

4Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan’ny mahery

Ny zanaky ny fahatanorana.

5Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tispìkany amin’ireny;

Tsy ho menatra ireny, raha mifamaly amin’ny fahavalo eo am-bavahady.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help