1NY tenin’i Jehovah izay tonga tamin’i Mika Morastita tamin’ny andro nanjakan’i Jotama sy Ahaza ary Hezekia, mpanjakan’ny Joda,–dia ilay hitany ny amin’i Samaria sy Jerosalema.
Ny loza hanjo an’i Samaria sy Joda.2SAMIA mihaino hianareo, ry firenena rehetra;
Atongilano ny sofinareo, ry tany sy izay zavatra rehetra eo aminy;
Ary aoka Jehovah Tompo no ho vavolombelona hanameloka anareo,
Dia Jehovah avy ao amin’ny tempoliny masina.
3Fa, indro, Jehovah mivoaka avy ao amin’ny fitoerany
Ary midina ka mandia ny havoana amin’ny tany.
4Miempo ao ambaniny ny tendrombohitra,
Ary mivava ny lohasaha,
Tahaka ny savoka taninin’ny afo,
Sy tahaka ny rano akorotsaka eny amin’ny hantsana.
5Noho ny fahadisoan’i Jakoba sy ny fahotan’ny taranak’Isiraely no isian’izany rehetra izany.
Iza no nahadiso an’i Jakoba?
Tsy Samaria va?
Ary iza no fitoerana avon’i Joda?
Tsy Jerosalema va?
6Koa Samaria dia hataoko korontam-bato any an-tsaha
Sy tany fambolem-boaloboka;
Ary hakorotsako ho any an-dohasaha ny vatony,
Ka haharihariko ny fanorenany.
7Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra,
Ary hodorana amin’ny afo ny tanginy rehetra,
Sady hofoanako ny sampiny rehetra;
Tangin’ny vehivavy janga no nanangonany ireny,
Ary hody ho tangin’ny vehivavy janga indray izy.
8Koa izany no hitomaniako sy hidradradradrako,
Ka handeha sady horobaina no mitanjaka aho;
Hikaonkaona toy ny amboadia aho
Ary hikiakiaka toy ny ostritsa.
9Fa tsy azo sitranina ny ferin’i Samaria;
Fa mihatra amin’i Joda izany,
Ary mahatratra ny vavahadin’ny oloko aza, dia any Jerosalema.
10Aza ambaranareo any Gata izany,
Aza mitomany akory!
Mihosinkosina vovoka ao Betile-afra aho.
11Mandehana mitanjaka mitondra henatra, ry mponina ao Safira;
Tsy mivoaka ny mponina ao Zanana;
Ny fisaonan’i Beti-haezela no misakana anareo tsy hijanona ao.
12Fa malahelo ny soa ny mponina ao Marota,
Satria loza no efa nidina avy tamin’i Jehovah ho ao am-bavahadin’i Jerosalema.
13Fehezo amin’ny soavaly haingam-pandeha ny kalesy, ry mponina ao Lakisy;
Niandohan’ny fahotan’i Ziona zanakavavy iny,
Fa tao aminao no nahitana ny fahadisoan’Isiraely.
14Koa izany no hanomezanao taratasy fisaorana ho an’i Moresetagata;
Ranotrambo ho an’ny mpanjakan’ny Isiraely ireo tranon’i Akziba.
15Mbola hitondrako olon-kandova hianao.
Ry mponina ao Maresa;
Ho tonga hatrany Adolama aza ny voninahitr’Isiraely.
16Miheteza sy mikakasa
Noho ny zanakao nahafinaritra;
Halehibiazo ny solanao ho toy ny an’ny volitora,
Fa lasan-ko babo niala taminao izy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.