Hosea 8 - Malagasy Protestant Bible

Ny loza hanjo ny Isiraely noho ny nivadihany.

1ATAOVY eo am-bavanao ny anjomara!

Fa hisy toy ny voromahery hipaoka ny tranon’i Jehovah,

Satria efa nivadika ny fanekeko

Sy nandika ny lalàko ireo.

2Izaho dia hitarainany hoe:

Andriamanitro ô, izahay Isiraely mahalala Anao.

3Ataon’ny Isiraely ho zavatra maharikoriko ny soa;

Ny fahavalo no hanenjika azy.

4Ireny dia nanangana mpanjaka, nefa tsy avy tamiko;

Nifidy mpanapaka izy, nefa tsy fantatro;

Ny volafotsiny sy ny volamenany no nataony sampiny

Mba hamongorana azy.

5Maharikoriko ilay ombilahy kelinao, ry Samaria;

Mirehitra aminareo ny fahatezerako;

Mandra-pahoviana no tsy ho tohanareo ny fahadiovana?

6Fa avy tamin’ny Isiraely koa izany;

Ny mpiasa no nanao azy, ka dia tsy Andriamanitra izy,

Fa ho torotoro ilay ombilahy kelin’i Samaria.

7Fa rivotra no nafafiny,

Ary tadio no hojinjany;

Tsy misy vary mitsangana,

Ny salohiny tsy hisy ventiny;

Ary raha tàhiny hisy aza, dia ny olona hafa firenena no hihinana azy.

8Voatelina Isiraely;

Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny fanaka tsy mahafinaritra izy any amin’ny jentilisa.

9Fa niakatra ho any Asyria izy

Toy ny boriki-dia mandeha irery;

Efraima dia nanangy ireo lehilahiny.

10Ary na dia nanangy tany amin’ny jentilisa aza izy,

Dia hovoriko ankehitriny;

Ary hihavitsy izy noho ny entan’ny mpanjakan’ireo mpanapaka.

11Fa Efraima nanao alitara maro hanotana,–

Eny, efa nahazo alitara hanotana izy.

12Na dia soratako ho azy ny teny betsaka amin’ny lalàko aza,

Dia ataony ho toy ny zavatra tsy izy izany.

13Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy,

Eny, mihinana ny henan’izany,

Nefa tsy sitrak’i Jehovah izany;

Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany,

Ary hovaliany ny helony;

Eny, izy ireny dia hiverina ho any Egypta.

14Efa nanadino ny Mpanao azy Isiraely

Ka nanorina trano vaventy,

Ary Joda nanamaro tanàna mimanda

Fa haterako afo ao an-tanànany,

Ka holevonin’izany ny trano vaventiny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help