1Ho an’ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ny sodina. Salamo nataon’i Davida.
JEHOVAH ô, henoy ny teniko;
Fantaro ny eritreritro.
2Henoy ny feon’ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô;
Fa Hianao no ivavahako.
3Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko;
Maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho.
4Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao;
Tsy hitoetra aminao ny ratsy.
5Tsy hahazo mijanona eo imasonao ny mpirehareha;
Halanao ny mpanao ratsy rehetra.
6Haringanao ny mpiteny lainga;
Ny olona mpandatsa-dra sy mpamitaka dia ataon’i Jehovah ho zava-betaveta.
7Fa izaho kosa noho ny haben’ny famindramponao dia hiditra ao an-tranonao;
Hiankohoka manatrika ny lapanao masina amin’ny fahatahorana Anao aho.
8Jehovah ô, tariho amin’ny fahamarinanao aho noho ny amin’ny mpampahory ahy;
Ataovy marina eo anoloako ny làlanao.
9Fa tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavany;
Ny ao anatiny dia tena faharatsiana;
Fasana misokatra ny tendany;
Mandambolambo ny lelany izy.
10Helohy izy, Andriamanitra ô;
Aoka ho lavon’ny saina ataony izy;
Roahy izy noho ny haben’ny fahotany,
Satria efa niodina taminao.
11Dia hifaly izay rehetra mialoka aminao;
Hihoby mandrakariva izy, koa miarova azy Hianao;
Ka dia ho ravoravo aminao izay tia ny anaranao,
12a Hianao, Jehovah ô, mitahy ny marina;
Fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.