Salamo 133 - Malagasy Protestant Bible

Ny mahatsara ny fifankatiavana.

1Fihirana fiakarana. Nataon’i Davida.

ENDREY, tsara sady mahafinaritra

Raha ny mpirahalahy no miara-monina.

2Tahaka ny diloilo tsara amin’ny loha,

Izay mitsororoka amin’ny somotra, dia ny somotr’i Arona,

Izay mitsororoka amin’ny moron-tongotr’akanjony;

3Tahaka ny ando any Hermona, izay milatsaka amin’ny tendrombohitra Ziona;

Fa voadidin’i Jehovah ho eo ny fitahiana,

Dia fiainana ho mandrakizay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help