Amosa 2 - Malagasy Protestant Bible

1Izao no lazain’i Jehovah:

Noho ny fahotana telon’i Moaba, eny, efatra aza,

Dia tsy havelako izy,

Satria nodorany ho sokay ny taolan’ny mpanjakan’i Edoma;

2Fa haterako afo ao Moaba,

Ka handevona ny tranoben’i Kiriota izany;

Ary Moaba ho faty amin’ny tabataba

Sy amin’ny akora ary ny fanenon’ny anjomara;

3Ary hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy,

Ary hiaraka hovonoiko izy sy ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.

4Izao no lazain’i Jehovah:

Noho ny fahotana telon’i Joda, eny, efatra aza,

Dia tsy havelako izy,

Satria nataony tsinontsinona ny lalàn’i Jehovah,

Ary ny didiny tsy notandremany,

Ary nampahadiso azy ny laingany, izay fanaon’ny razany;

5Fa haterako afo ao Joda,

Ka handevona ny tranoben’i Jerosalema izany.

6Izao no lazain’i Jehovah:

Noho ny fahotana telon’Isiraely, eny, efatra aza,

Dia tsy havelako izy,

Satria namidiny volafotsy ny olona marina

Sy kapa iray lomisy ny malahelo,

7Ary mihanahana mitsiriritra ny vovo-tany eo an-dohan’ny malahelo izy

Sady mamily ny alehan’ny mpandefitra;

Ary olona mianaka dia samy mandry amin’ny zazavavy iray ihany

Mba handoto ny anarako masina;

8Amin’ny lamba azony tamin’ny tsatòka izy no mitsilailay eny anilan’ny alitara rehetra,

Ary misotro divay novidina tamin’ny sazy ao an-tranon’ireo andriamaniny izy.

9Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany,

Dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera

Sy natanjaka toy ny ôka;

Eny, nosimbako ny voany teny ambony

Sy ny fakany tao ambany.

10Ary Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin’ny tany Egypta

Sady nitari-dàlana anareo efa-polo taona tany an-efitra,

Mba handovanareo ny tanin’ny Amorita,

11Ary ny zanakalahinareo nisy natsangako ho mpaminany,

Ary ny zatovonareo ho Nazirita.

Tsy izany va no izy, ry Zanak’Isiraely? hoy Jehovah.

12Kanjo nampisotroinareo divay ny Nazirita,

Ary ny mpaminany noraranareo hoe: Aza maminany.

13Indro, Izaho no hitambesatra aminareo

Toy ny fitambesatry ny sariety feno amboara.

14Koa tsy ho afa-mandositra ny faingam-pandeha,

Ny mahery tsy hampiseho hery,

Ary ny lehilahy mahery tsy hahavonjy ny ainy;

15Izay mitana tsipìka tsy hahajanona,

Ary ny faingan-tongotra tsy hahavonjy tena,

Izay mitaingin-tsoavaly tsy hahavonjy ny ainy;

16Ary na dia izay sahy ao amin’ny mahery aza

Dia handositra mitanjaka amin’izany andro izany, hoy Jehovah.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help