1Fihirana.
MIHIRÀ fihiram-baovao ho an’i Jehovah;
Fa efa nanao fahagagana Izy;
Ny tànany ankavanana sy ny sandriny masina no nahavitany famonjena.
2Jehovah efa nampahafantatra ny famonjeny;
Teo imason’ny jentilisa no nanehoany ny fahamarinany.
3Efa nahatsiaro ny famindrampony sy ny fahamarinany tamin’ny taranak’i Isiraely Izy;
Efa nahita ny famonjen’Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.
4Mihobia ho an’i Jehovah, ry tany rehetra,
Velomy ny hoby, ka mihirà.
5Mankalazà an’i Jehovah amin’ny lokanga,
Dia amin’ny lokanga sy ny feo fihirana,
6Amin’ny trompetra sy ny fitsofana ny anjomara,
Ka mihobia eo anatrehan’i Jehovah Mpanjaka.
7Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy,
Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.
8Aoka hiteha-tànana ny riaka;
Aoka hiara-mihoby aminy koa ny tendrombohitra
9Eo anatrehan’i Jehovah, fa avy hitsara ny tany Izy;
Hitsara izao rehetra izao amin’ny fahamarinana Izy
Ary ny firenena amin’ny fahitsiana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.