Hosea 4 - Malagasy Protestant Bible

Ny fananarana ny Isiraely noho ny helony.

1MIHAINOA ny tenin’i Jehovah, hianareo Zanak’Isiraely!

Fa Jehovah manana ady amin’ny mponina amin’ny tany,

Satria tsy misy fahamarinana, na fitiavana, na fahalalana an’Andriamanitra eo amin’ny tany,

2Fa fianianana sy lainga sy vonoana

Sy halatra sy fijangajangana kosa,

Eny, manao an-keriny izy ka mifanontona ny fandatsahan-dra.

3Ary noho izany dia mitomany ny tany

Ary reraka izay rehetra mitoetra ao aminy,

Dia ny bibi-dia sy ny voro-manidina;

Eny, na dia ny hazandrano any anaty ranomasina aza dia ringana koa.

4Kanefa aza misy mandahatra, na mananatra;

Fa ny oloko dia efa tahaka ny mifanditra amin’ny mpisorona.

5Ka dia ho tafintohina antoandro hianao,

Ary ny mpaminany hiara-tafintohina aminao koa amin’ny alina,

Ary hovonoiko ny reninao.

6Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian’ny fahalalana.

Satria hianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony;

Ary efa nanadino ny lalàn’Andriamanitrao hianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao.

7Araka ny nitomboany no nanotany tamiko,

Ka dia hampodiko ho henatra kosa ny voninahiny.

8Ny fanatitra noho ny ota izay aterin’ny oloko dia haniny,

Ka satriny ihany ny ho diso ireny.

9Ary ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona;

Dia hovaliako izy noho ny làlany,

Ary ny ataony dia hatsingeriko aminy.

10Ka dia hihinana izy, nefa tsy ho voky,

Hijangajanga izy, nefa tsy hihabetsaka,

Satria Jehovah efa tsy nahoany intsony.

11Fijangajangana sy divay ary ranom-boaloboka

No mahalasa ny saina.

12Ny oloko dia mila saina amin’ny tapa-kazony,

Ary ny tehiny no manambara aminy;

Fa ny fanahim-pijangajangana no nampania azy,

Ary lasan-ko janga izy ka tsy manaiky an’Andriamaniny.

13Eny an-tampon’ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra,

Ary eny amin’ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra,

Dia eny ambanin’ny hazo ôka sy ny popola ary ny terebinta,

Satria tsara alokaloka ireny,

Koa izany no ijejojejoan’ny zanakavavinareo sy ijangajangàn’ny vinantovavinareo.

14Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho, raha mijejojejo izy,

Na ny vinantovavinareo, raha mijangajanga izy,

Fa ny tenanareo aza dia miavaka hankamin’ny mpijangajanga

Sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin’ireo vehivavy mpanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy,

Ka dia ho lavo ny firenena tsy misaina.

15Na dia mijangajanga aza hianao, ry Isiraely,

Aoka ny Joda tsy mba hanota;

Ary aza mankany Gilgala na miakatra any Betavena hianareo;

Ary aza mianiana hoe: Raha velona koa Jehovah!

16Fa ny Isiraely dia maditra toy ny vantotr’ombivavy maditra;

Ankehitriny dia handrasan’i Jehovah toy ny zanak’ondry eny amin’ny malalaka izy.

17Tafaraikitra amin’ny sampy Efraima;

Aoka izy ho eo.

18Efa lefy ny divainy;

Mahery mijangajanga izy;

Fatra-pitia henatra ireo mpanapaka azy.

19Voapaoky ny elatry ny rivotra izy

Ka ho menatra noho ny zavatra novonoiny hatao fanatitra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help