Matio 1 - Malagasy Bible(MG1865)

Ny filazana ny razan'i Jesosy Kristy

1Ny filazana ny razan'i Jesosy Kristy, zanak'i Davida zanak'i Abrahama.

2Abrahama niteraka an'i Isaka; ary Isaka niteraka an'i Jakoba; ary Jakoba niteraka an'i Joda mirahalahy avy;

3ary Joda niteraka an'i Fareza sy Zara tamin'i Tamara; ary Fareza niteraka an'i Hezrona; ary Hezrona niteraka an-dRamaGr. Arama;

4ary RamaGr. Arama niteraka an'i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an'i Nasona; ary Nasona niteraka an'i Salmona;

5ary Salmona niteraka an'i Boaza tamin-dRahaba; ary Boaza niteraka an'i Obeda tamin-dRota; ary Obeda niteraka an'i Jese;

6ary Jese niteraka an'i Davida mpanjaka. Ary Davida niteraka an'i Solomona tamin'ny vadin'i Oria;

7ary Solomona niteraka an-dRehoboama; ary Rehoboama niteraka an'i Abia; ary Abia niteraka an'i AsaGr. Asafa;

8ary AsaGr. Asafa niteraka an'i Josafata; ary Josafata niteraka an'i Jorama; ary Jorama niteraka an'i Ozia;

9ary Ozia niteraka an'i Jotama; ary Jotama niteraka an'i Ahaza; ary Ahaza niteraka an'i Hezekia;

10ary Hezekia niteraka an'i Manase; ary Manase niteraka an'i AmonaGr. Amosa; ary AmonaGr. Amosa niteraka an'i Josia;

11ary Josia niteraka an'i Jekonia mirahalahy avy, tamin'ny nifindrana tany Babylona.

12Ary taorian'ny nifindrana tany Babylona Jekonia dia niteraka an'i SealtielaGr. Salatiela; ary SealtielaGr. Salatiela niteraka an'i Zerobabela;

13ary Zerobabela niteraka an'i Abihoda; ary Abihoda niteraka an'i Eliakima; ary Eliakima niteraka an'i Azora;

14ary Azora niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Akima; ary Akima niteraka an'i Elihoda;

15ary Elihoda niteraka an'i Eleazara; ary Eleazara niteraka an'i Matana; ary Matana niteraka an i Jakoba;

16ary Jakoba niteraka an'i Josefa, vadin'i Maria; ary Maria niteraka an'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy.

17Ary ny taranaka rehetra hatramin'i Abrahama ka hatramin'i Davida dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'i Davida ka hatramin'ny nifindrana tany Babylona dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'ny nifindrana tany Babylona ka hatramin'i Kristy dia taranaka efatra ambin'ny folo.

18Ary ny nahaterahan'i Jesosy Kristy dia toy izao: Rehefa nanaiky Maria, renin'i Jesosy, ho fofombadin'i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin'ny Fanahy Masina izy.

19Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina.

20Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin'ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina,

21ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe JesosyJesosy = Jehovah no Mpamonjy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany.

22Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminanyGr. profeta dia olona voafidin'Andriamanitra ho mpilaza ny teniny hoe:

23Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra.

24Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo ary ka nampakatra ny vadiny.

25Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Jesosy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help