1Salamo ho fiderana. Mihobia ho an'i Jehovah, ry tany rehetra.
2Manompoa an'i Jehovah amin'ny fifaliana; Mankanesa eo anatrehany amin'ny fihobiana.
3Aoka ho fantatrareo fa Jehovah no Andriamanitra; Izy no nanao antsika, ary Azy isikaNa: fa tsy isika, Dia olony sy ondry fiandriny.
4Midira eo amin'ny vavahadiny amin'ny fisaorana, Ary eo an-kianjany amin'ny fiderana; Misaora Azy, mankalazà ny anarany,
5Fa tsara Jehovah; Mandrakizay ny famindram-pony, Ary mihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.