Mika 2 - Malagasy Bible(MG1865)

Ny heloky ny Isiraely, sy ny hampijaliana azy, ary ny mbola hampodiana azy indray

1Lozan'izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandriany! Ary nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy, Satria manan-kery ny tànany.

2Ary mitsiriritra saha izy ka maka izany an-keriny, Sy trano koa ka mahalasa azy; Ary mampahory olona mbamin'ny ankohonany izy, Dia ny olona mbamin'ny lovany.

3Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, mamorona loza hamelezana ity firenena ity Aho, Izay tsy hahazoanareo hanafaka ny vozonareo, Ka tsy handeha miandranandrana ianareo, Satria andro mampahory izany.

4Amin'izany andro izany no hanaovana oha-teny handatsana anareo, Ka hitomaniana sy hidradradradrana hoe: Efa levona izao! Eny, hiteny izy hoe: Fongana tokoa isika; Ataony fanakalo zavatra ny anjaran'ny oloko; Endrey! afindrany hiala amiko izany! Samy zarainy ho an'ny mpiodina avy ny tanintsika!

5Koa tsy hisy aminao hanenjana famolaina akory hanaovana filokana Ao amin'ny fiangonan'i Jehovah.

6Aza mitenitenyHeb. mampitete ianareo, hoy ny fiteniteninyHeb. mampitete; Aoka tsy hitenitenyHeb. mampitete ny amin'ireto izy, Tsy hita lanyNa: raha tsy miteniteny amin'ireto izy, dia tsy ho afaka ny fanalam-baraka ataony!

7He! izany teny izany! Ry taranakNa: he!ianao izay atao hoe taranak'i'i Jakoba, Malaky tezitra va ny Fanahin'i Jehovah? Ireto va no asa fanaony? Tsy mahasoa izay mandeha mahitsy va ny teniko?

8Vao omaly no omaly no nitsanganan'ny oloko ho fahavalo; Hendahanareo hiala eo amin'ny lamba ny kapôtin'izay mandeha tsy manana ahiahy, Dia izay tsy tia ady.

9Ny vehivavy eo amin'ny oloko dia roahinareo hiala amin'ny tranony mahafinaritra; Esorinareo hiala mandrakizay amin'ny zanany madinika ny voninahitro.

10Mitsangàna, ka mialà (Fa tsy eto no fitsaharana), Satria misy fahalotoana mahatonga fandringanana eto, eny, fandringanana mafy.

11Raha misy manaraka ny rivotra sy ny lainga ka mandainga hoe: Hitori-tenyHeb. hampitete aminao ny amin'ny divay sy ny zava-mahamamo aho, Dia izy no ho mpitori-teninHeb. mpampiteten''ity firenena ity.

12Hamory anareo rehetra tokoa Aho, ry Jakoba, Ary hanangona ny sisa amin'ny Isiraely tokoa, Hakambako toy ny ondry any amin'ny valaNa: any Bozra izy, Toy ny ondry andiany ao amin'ny tany fiandrasana; Hitabataba izy noho ny hamaroan'ny olona.

13Ny mpanabanga miakatra eo alohany, Manabanga izy ka mandroso ho eo amin'ny vavahady, Dia mivoaka eo aminy; Ny mpanjakany mandroso eo alohany, Ary Jehovah no mitarika azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help