1Fihirana fiakaranaNa: Fihirana misy hevitra ambaratonga. Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho; Avy aiza ny famonjena ahyNa: Izay ihavian'ny famonjena ahy?
2Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.
3Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao; Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.
4Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely.
5Jehovah no Mpiaro anao; Jehovah no fialofanao eo amin'ny an-kavananao.
6Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina.
7Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy.
8Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, Hatramin'izao ka ho mandrakizay.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.