Salamo 130 - Malagasy Bible(MG1865)

Fitarainana ataon'izay latsaka amin'ny fahoriana lalina

1Fihirana fiakaranaNa: Fihirana misy hevitra ambaratonga. Tao amin'ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô,

2Tompo ô, henoy ny feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon'ny fifonako.

3Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô?

4Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, Mba hatahorana Anao.

5Niandry an'i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako.

6Ny fanahiko miandry ny Tompo Mihoatra noho ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina, Dia ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina.

7Manantenà an'i Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin'i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be;

8Ary Izy no hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin'ny helony rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help