Isaia 12 - Malagasy Bible(MG1865)

1Ary hiteny ianao amin'izany andro izany hoe: Hidera Anao aho, Jehovah ô; Fa na dia tezitra tamiko aza Hianao, diaNa: Fa tezitra tamiko Hianao, nefa afaka ny fahatezeranao, ka mampionona ahy Hianao.

2Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy.

3Koa amin'ny fifaliana no hantsakanareo rano amin'ny loharanom-pamonjena.

4Ary hiteny ianao amin'izany andro izany ka hanao hoe: Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin'ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany.

5Mankalazà an'i Jehovah, fa asa lehibe no nataony; Ary aoka ho fantatra any amin'ny tany rehetra izany.

6Miantsoa mafy sy mihobia, ry mponina any Ziona; Fa lehibe ao afovoanao ny Iray Masin'ny Isiraely.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help