Salamo 122 - Malagasy Bible(MG1865)

Fifaliana ny amin'i Jerosalema sy fangatahan-tsoa ho azy

1Fihirana fiakaranaNa: Fihirana misy hevitra ambaratonga. Nataon'i Davida. FALY aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon'i Jehovah.

2Ny tongotray efa mijoro Eo anatin'ny vavahadinao, ry Jerosalema ô,

3Dia ianao ry Jerosalema, izay efa vita Tahaka ny tanàna efa voalamina tsara;

4Any no iakaran'ny firenena,Dia ireo firenen'i Jehovah (Lalàna amin'ny Isiraely izany). Mba hisaotra ny anaran'i Jehovah.

5Fa any no misy seza fitsarana mipetraka, Dia ny seza fiandrianan'ny mpianakavin'i Davida.

6Mangataha fiadanana ho an'i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao;

7Fiadanana anie ho ao anatin'ny mandanao; Fanambinana anie ho ao an-dapanao

8Noho ny rahalahiko sy ny namako No hanaovako hoe Fiadanana anie ho ao anatinao.

9Noho ny tranon'i Jehovah Andriamanitsika Dia hitady izay hahatsara anao aho.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help