Salamo 150 - Malagasy Bible(MG1865)

Haleloia farany

1Haleloia. Miderà an'Andriamanitra eo amin'ny fitoerany masina. Miderà Azy eo amin'ny habakabaky ny heriny.

2Midera Azy noho ny asany lehibe; Miderà Azy araka ny haben'ny voninahiny.

3Miderà Azy amin'ny fitsofana ny anjomara; Miderà Azy amin'ny valiha sy ny lokanga.

4Miderà Azy amin'ny ampongatapaka sy ny dihy; Miderà Azy amin'ny zava-maneno tendrena sy ny sodina.

5Miderà Azy amin'ny kipantsona maneno; Miderà Azy amin'ny kipantsona tsara feo.

6Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an'i Jehovah. Haleloia.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help