Salamo 110 - Malagasy Bible(MG1865)

Ny haherezan'ny Mpanjakan'i Ziona, Izay sady Mpanjaka no Mpisorona

1Salamo nataon'i Davida. Izao no lazain'i Jehovah amin'ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.

2Ny tehin'ny herinao Havoak'i Jehovah avy ao Ziona; Manapaha eo amin'ny fahavalonao Hianao.

3Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin'ny andro anafihanaoNa: andron'ny herinao; Amin'ny fihaingoana masina, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.

4Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka.

5Ny Tompo eo an-kavananao Dia handripaka ny mpanjaka maro amin'ny andron'ny fahatezerany

6Hitsara any amin'ny jentilisa Izy ka hampiampatrampatra faty any; Handripaka loholonaHeb. loha any amin'ny tany malalaka Izy.

7Hisotro amin'ny ony any an-dalana Izy, Ka izany no hitrakan'ny lohany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help