Salamo 136 - Malagasy Bible(MG1865)

Fankalazana an'Andriamanitra noho ny nanaovany izao rehetra izao sy ny nanavotany ny olony

1Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony.

2Midera an'Andriamanitra Avo IndrindraHeb. Andriamanitry ny andriamanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.

3Miderà ny Tompon'ny tompo; Fa mandrakizay ny famindram-pony;

4Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

5Izay nanao ny lanitra tamin'ny fahendrena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

6Izay namelatra ny tany ho ambonin'ny rano, (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

7Izay nanao ireo fanazavana lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

8Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

9Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

10Izay namely ny voalohan-terak'i Egypta, (Fa mandrakizay ny famindram-pony)

11Ka nitondra ny Isiraely nivoaka avy teo aminy (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

12Tamin'ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

13Izay nampisaraka ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

14Ka nampandeha ny Isiraely namaky teo afovoany (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

15Fa nanary an'i Farao sy ny miaramilany tao anatin'ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

16Izay nitondra ny olony nitety ny efitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

17Izay namely mpanjaka lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

18Ka nahafaty mpanjaka malaza (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

19Dia Sihona, mpanjakan'ny Amorita (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

20Sy Oga, mpanjakan'i Basana (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

21Ary ny taniny nomeny ho lova (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

22Dia ho lovan'ny Isiraely mpanompony (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

23Izay nahatsiaro antsika fony isika ambany toetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

24Ka naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin'ny fahavalontsika (Fa mandrakizay ny famindram-pony),

25Izay manome hanina ny nofo rehetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony);

26Miderà an'Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help