Salamo 124 - Malagasy Bible(MG1865)

Fisaorana an'Andriamanitra noho ny nanafahany ny mpanompony saiky tra-doza

1Fihirana fiakaranaNa: Fihirana misy hevitra ambaratonga. Nataon'i Davida. Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Eny, aoka hataon'ny Isiraely hoe:

2Raha tsy Jehovah no nomba antsika, Raha nitsangana hamely antsika ny olona.

3Dia nitelina antsika velona izy, Raha nirehitra tamintsika ny fahatezerany;

4Dia nandifotra antsika ny rano, Ary nanafotra ny fanahintsika ny riaka;

5Eny, nanafotra ny fanahintsika Ny rano misafoaka.

6Isaorana anie Jehovah, Izay tsy nanolotra antsika ho rembin'ny nifiny.

7Ny fanahintsika dia efa afaka tahaka ny vorona afaka tamin'ny fandriky ny mpihaza: Tapaka ny fandrika, ka afaka isika.

8Ny famonjena antsika dia amin'ny anaran'i Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help