Salamo 67 - Malagasy Bible(MG1865)

Fanirian'ny olo-marina mba hanaiky an'Andriamanitra avokoa ny firenena rehetra

1Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo. Tonon-kira. Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy;

2Mba ho fantatra etỳ ambonin'ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin'ny jentilisa rehetra.

3Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.

4Hifaly sy hihoby ny firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin'ny tany dia entinao;

5Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.

6Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.

7Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help