Salamo 79 - Malagasy Bible(MG1865)

Fifonana noho ny faharavana nataon'ny fahavalo

1Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, tonga eto amin'ny lovanao ny jentilisa, ka nandoto ny tempolinao masina sady nanao an'i Jerosalema ho korontam-bato.

2Ny fatin'ny mpanomponao nomeny hohanin'ny voro-manidina, ny nofon'ny olonao masina ho an'ny bibidia;

3Ny ràny naidiny manodidina an'i Jerosalema tahaka ny rano, ary tsy nisy handevina.

4Tonga fandatsan'ny namanay izahay, sady faneso sy fanakoran'izay manodidina anay.

5Mandra-pahoviana, Jehovah ô, no hanontolo fo Hianao, ka hirehitra tahaka ny afo ny fahasaro-piaoronao?

6Aidino amin'ny jentilisa izay tsy mahalala Anao ny fahatezeranao, sy amin'ny fanjakana izay tsy miantso ny anaranao;

7Fa efa nandany an'i Jakoba izy ireo sady nandrava ny fonenany.

8Aza tsarovana aminay ny heloky ny razanay; aoka ho avy faingana hitsena anay ny fiantrànao, fa reraka indrindra izahay.

9Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, noho ny voninahitry ny anaranao; ary afaho izahay, ka mamelà ny helokay, noho ny anaranao.

10Nahoana ny jentilisa no hanao hoe: aiza izay Andriamaniny? aoka ho fantatra amin'ny jentilisa eo imasonay ny famaliana ny ran'ny mpanomponao izay nalatsaka.

11Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fisentoan'ny mpifatotra; araka ny halehiben'ny sandrinao dia arovy tsy ho faty ny zanaky ny fahafatesana.

12Ary valio impito heny ho ao an-tratran'ny mifanila fonenana aminay ny fanaratsiana izay nanaratsiany Anao, Tompo ô.

13Fa izahay, olonao sy ondry fiandrinao, dia hisaotra Anao mandrakizay; hatramin'ny taranaka fara mandimby no hilazanay ny fideràna Anao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help